SlideShare a Scribd company logo
1 of 56
Download to read offline
Andrianarivo, 2010
I.- Fitsaboana amin’ny
otra
1. Ny fanorana tarehy
2. Ny fanorana faladia
sy fela-tanana
3. Fanorana ny faritra
marary
4. Fanorana ireo faritra
entina mitsabo aretina
II.- Fahasalamana sy ny
sakafo
1. Ireo sakafo ara-
pahasalamana
2. Anana, legioma,
voankazo
3. Zava-pisotro
mahasalama
4. Sakafo mahasalama
Ny aretina mpahazo ny olona no azo tsaboina amin’ny alalan’ny otra na
ny fanapotsipotsirana ny faritra marary sy ireo faritra voatokana
hanatanterahana ny fitsaboana amin’ny alalan’ny otra.
Manala ny aretina hatramin’ny fakany ny otra arahina vavaka; satria ny
mpanotra dia fitaovana ihany, fa Jesosy Kristy no mampitsahatra sy
manasitra ireo fambaran’ aretina rehetra. Ny otra dia fomba fitsaboana
entina manasitrana ny faritra marary, mamerina ny fiasan’ny taova
amin’ny laoniny, manasitrana ny hozatra, ny ratsam-batana rehetra
amin’ny laoniny. Ny sakafo hohanina isanandro koa dia mitana anjara
toerana lehibe tokoa eo amin’ny fahasalamana. Noho izany, dia ilaina ny
mihinana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana. Fadio ny toaka,
sigara, paraky, ny menaka sy ny siramamy be loatra. Fadio koa ny
mihinana hena be loatra.
Amin’ny ankapobeny dia tsy misy voka-dratsy ny otra. Nefa na izany
aza, dia ilaina fitandremana fatratra ny fanatanterahana azy, satria
misy faritra tsy tokony hopotserina na orina amin’ny vatan’ny
olombelona. Misy koa ny fitandremana sy ny tsara ho fantatra
manokana momba ny fanorana ny vehivavy bevohoka.
Tsy tokony horina ny olona manana aretina mikasika ny lalan-drà na
ambony tosi-drà, na ny marary mafy. Tsy tokony horina koa ny fery, na
takom-pery, na ny olona vao avy nodidiana tanatin’ny iray volana. Nefa
kosa, azo atao ny manotra ny faritra hafa alavitr’ilay fery na ilay faritra
marary, mba hanafaingana ny fahasitranan’ilay marary.
Tsy tokony hopotserina mafy loatra ny faritra orina. Ny fanorana araka
ny tokony ho izy no manala havizanana sy manasitrana tanteraka; fa
raha atao marary kosa ny otra dia hampitombo ny aretina sy ny
havizanan’ilay marary izany.
Tsara ho fantatra koa fa misy ireo sakafo tsy tokony hohanin’ny marary
mba tsy hampihombo ny aretiny, ary misy koa ny sakafo tokony
hohaniny mba hanafaingana ny fitsaboana sy ny fanasitranana.
Ohatra amin’izany, raha marary vavony ilay marary, dia inona no
sakafo tokony hohaniny? Ary inona no tsy tokony hohaniny? Faritra
inona amin’ny vatany no tokony horina mba hahasitrana azy faingana?
Misy karazany maro ny otra. Ireto voalaza manaraka ireto dia
santionany amin’ izany:
 Fanorana ny tarehy
 Fanorana ny faladia sy ny fela-tanana
 Fanorana entina mitsabo aretina
sy mampitsahatra fanaintainana
 Fanorana hanalana tavy sy fampahiazana
Ampahany vitsy ihany nefa no aseho amin’ity boky ity.
Entina manala havizanana sy aretina amin’ny faritry ny
loha ny fanorana tarehy. Ao koa ny fanorana ny faritry
ny handrina hanalana sinozita.
Ilaina fahaizana manokana ny fanatanterahana azy.
Mety hampiasa menaka voatokana ny mpanotra. Mety
hampiarahany amin’ny otra fela-tànana sy faladia koa
ny fanorana tarehy raha toa ka marary an-doha na
marary maso ny marary.
Entina mitsabo sy mamerina ny fiasan’ny taova amin’ny laoniny
ny fanorana ny faladia sy ny fela-tànana. Ilaina fandalinana
sy fahaizana manokana ny fahafantarana ny toerana maneho
ny taovan’ny olombelona eo amin’ny faladiany.
Mety hampiasa fitaovana manokana ny mpanotra rehefa
manotra. Haingana kokoa ny fiasan’ny fanorana faladia raha
misy taova marary. Tsara raha hampiarahina amin’ny otra
hafa koa izy.
Asesy avy amin’ny rantsan-tongotra
rehetra, ny tongotra ankavia aloha, vao ny
ankavanana. Avy eo dia midina hatrany
hatrany. Mety maharitra 3 na 5 minitra ny
fanorana ny faritra iray. Mila fianarana
manokana ny momba ny fanorana faladia.
Tsara raha manitsanitsaka vatokely
isanandro koa mba ho salama tsara na dia
mbola tsy marary aza, mba hampikoriana
tsara ny lalan0dra sy hampiasa tsara ny
taova rehetra.
Tsy voatery hampiarahina foana akory ny
fanorana faladia sy ny fela-tanana. Tsara
horina matetika ny rantsan-tongotra
(asehon’ny sary) sy ny rantsan-tanana (ao
amin’ny sary manaraka), ary potserina tsy
dia mafy loatra mandritra ny 5-10 minitra
izay faritra marary.
1
Tsy azo atao marary loatra ny fanorana
ny faritra marary toy ny folaka na
mioritra, na vizana.
Azo atao ny mampiasa menaka voatokana
rehefa manotra. Ohatra amin’izany ny
menak’omby, ampiasaina amin’ny folaka,
mioritra, marary lamosina, fanalana
sinozita na marary kibo. Ao koa ny
menaka oliva sy ny menaka diloilo coco.
Azo atao koa ny manafangaro savony
fotsy, voakiky madinika, amin’ny menaka
coco na mena-boanjo kelikely raha
manotra faladia.
.. AMBANY
CHEVILLE
. ..
.
AMBAVA-FO
.
.. TAMPON-
DOHA
.SOROKA
. .
. .
..
Samy manana ny asany avy ireo faritra 15
ireo ary mety hifameno izy rehefa
ampiasaina hitsaboana aretina. Ny fanondro
no ampiasaina rehefa manotra ireo faritra
voatokana.
Ilaina fitandremana sy fandalinana
manokana ny fitsaboana aretina amin’ny
alalan’ny fanorana ny faritra voatokana
mba hahasitrana tanteraka ilay marary. Tsy
potserina mafy loatra ny faritra voatokana,
ary mandritra ny 5 minitra eo ho eo no
iasana amin’ny faritra iray. Ny faritry ny
hatoka dia saro-pady, ka tsy horina, fa
ametrahana tanana sy hivavahana, raha
marary noho ny antony samihafa.
Tsara ho fantatra 1:
Ny fanondro ihany koa no ampiasaina rehefa mitady ny faritra
voatokana ho orina eo amin’ny vatana. Toy izao no fanaovana azy:
Tsara ho fantatra 2:
Rehefa vita ny otra na fanapotserana dia misotro rano 2 vera ny
marary mba hanala ny toksina na aretina avy anaty vatana. Tsara
raha hivavahana foana aloha ny rano vao sotroiny.
Ireto avy ny faritra
voatokana hopotserina
rehefa marary andoha,
nefa tsy dia voatery
hopotserina avokoa akory
ireo faritra ireo vao
mitsahatra ny aretin’
andoha. Raha stress no
mahazo dia ny 1, ny 6
(anatiny sy ivelany), ny 8
dia efa ampy. TSY atao
mafy be mampikaikaika
ny marary ny
fanapotserana.
Ireto avy ny faritra voatokana
hopotserina rehefa marary andoha,
noho ny sinozita. Orina midina
manaraka ny toro-marika ary
menak’omby sy sakamalaho kelikely
voatoto no anorana azy. Averina isa-
maraina sy hariva ny otra ary
mihinana tongolo 1 sy tongolo gasy
singany 3 isaky ny hariva mandritra
ny 5 andro.Tsy tsara mihinana
tavin-kena sy fraomazy na crème
fraiche, sy izay zavatra mety tsy
zaka ka mety ho nahatonga ny
aretina.
Ireto faritra 4 voatondron’ny tsipika
no tena fototra ka tokony atao
voalohany. Mety harary ireo raha efa
ela ny kohaka, fa atao malefadefaka
mandra-pitsahatry ny marary ny
fanapotsirana azy, ary atao
manaraka ny toro-lalana, avy
ankavia mankeo afovoany aloha; avy
eo dia avy ankavanana mankeo
afovoany koa; ary farany dia avy eo
afovoany ambany no miakatra.
Asaina mikohaka ny marary rehefa
vita izany, ary mety hampiana tosika
miakatra amin’ny tenda ny fanalany
ny rehoka tao anaty tratra tao.
Ireto faritra 4 voatondron’ny tsipika
manga no horina, ary atao manaraka
ny tondro zotra mangamanga izany,
ka avy eo amin’ny am-bavafo no
midina miankavia. Marary dia
marary ilay faritry ny am-bavafo,
raha marary ny kibo. Noho izany,
atao malefaka dia malefaka ny otra,
ary hafanaina amin’ny labozia ny
tànana efa nosorana menaka kely ary
ilay faritra koa dia hosorana menaka
kely mialohan’ny fanorana. Atao
midina tsimoramora mandra-
pitsahatry ny marary izany
fanapotsirana azy. Ny ambany foitra
koa dia atao torak’izany ihany.
Fanamarihana: Raha toa ka somary misy mivonto eo
amin’ny am-bavafon’ilay marary na ao anaty kibo, dia
tsy orina. Mampangotraka rano 1 litatra; io no
ivavahana ary sotroin’ilay marary 3 andro vao maraina
izany, alohan’ny sakafo maraina. Raha vao lany ilay
rano 1 litatra dia miankohoka mivavaka mba sady
manafana ilay kibo ilay marary. Mety hampivalana ity
fitsaboana ity satria manala ilay aretina ao anatiny ao.
Sotroina mafana araka izay zaka ilay rano, ary sotroina
tsy miatoato loatra. Natokana ho an’ny olon-dehibe sy
ankizy lehibe ity.
Araka ny sary, ny lavaka ao
ambadiky ny cheville ankavia sy
ankavanana no potserina araka izay
zaka. Marary dia marary ilay faritry
ny tongotra io, raha marary ny
valahana. Noho izany, atao araka
izay zaka ny otra. Tsy mila asiana
menaka akory fa fanapotserana
fotsiny no hatao. Atao telo andro
misesy.
Misy fiantraikany amin’ny
taova ao anatintsika ny
sakafo hohanintsika
isanandro. Ny fihinanana
sakafo matsiro loatra
matetika dia tena
mankarary ny taova.
Ilaina tokoa, arak’izany, ny
mandanjalanja ny sakafo hohanina
isanandro, mba hahafeno ny hery
fiarovana sy otrikaina entin’ny sakafo,
ary mba tsy hankarary ny taova ao
anatintsika. Ilaina torak’izany koa ny
fisotroana rano mba hahazoana hery.
Tsiron-tsakafo Ohatra Taova
Malaholaho /
mafana
Sakamalaho, solila na
menthe
havokavoka na poumons,
tsinaibe na gros intestin
Mamy Tantely, siramamy,
voankazo
Vavony na estomac, rate
Marikivy Voasary makirana, paiso
mena
aty na foie, vesicule biliare
na sarakaty
Mangidy Angivy, vahona fo na coeur, tsinaikely na
intestin grele
Masira Sakafo misy sira rein na voa, vessie na tatavia
2. Ny anana, legioma, voankazo
Sakafo
Mampandeha
fivalanan-drano,
mampihena
fivontosana
Mifoka rano,
mampitsahatra
fivalanana
Misoroka
fihombon’ny
otrik’aretina eo
amin’ny hoditra na
ao anaty
Miaro ny aty sy ny
taova, mampihena
ny aty mivonto
Mitondra hery
fiarovana,
manome otrikaina,
vitamina, kalsioma,
Seleria, aoberzina,
voatavo, pasiteka,
poarao, asiperza
Kaki,
kaonkaombra,
anana, salady
Tongolobe, tongolo
gasy, tamotamo,
Artisao, betiravy,
tamotamo, laisoa
manta
Amandy,
laisoa manta,
voasary, navet
Sakafo
Mampidina ny
tahan’ny menaka,
kolesteraola, tavy
Miaro amin’ny
kansera,
mampikorianny ra
Miaro amin’ny tsy
fahampiana ra,
mampisy mineraly
Manadio taova,
mampandeha
tsara ny fiasany,
tsy mampitohana
Zavoka,kaonkaombra,
voasary makirana
Sakamalaho,
voankazo,
tamotamo
Voanjo, lentilles, betiravy,
paiso abricots, garana,
epinara, anandrano
Paiso menakely, katsaka,
tsaramaso, aoberzina,
lafarina feno
Tsara ho fantatra:
Misy karazan-tsakafo mety hampiakatra tosi-drà, toy ny
anamamy; misy kosa karazan-tsakafo mety hampidina
tosi-drà, toy ny anantsinahy sy ny garana.
Ilaina ovaovaina ny sakafo hohanina isanandro mba
hahafeno ny otrikaina sy hery fiarovana ilain’ny vatana.
• Tokony hihinana voankazo sy anana ary legioma isanandro mba ho salama.
Tokony hihinana anana manta in-telo na in-efatra isan-kerinandro, toy ny
salady na salady anana isan-karazany.
• Tsy maintsy misotro rano betsaka tsara koa izay mifanentana amin’ny taona sy
ny vatana. Ny tsy fahampian-drano dia mankarary vavony, aty, maso, ary
mahabetsaka ny mony amin’ny tarehy sy ny vatana.
• Ahena ny fatran’ny hena, sira, siramamy, sy ny menaka hohanina.
• Tsy mihinana sakafo koa anelanelan’ny fotoana fisakafoanana telo isanandro, fa
rano no tokony sotroina mandritra ny elanelam-potoana.
Manadio sy
mamerina ny
fiasan’ny ny taova
Manome hery sy
tanjaka
Manasitrana
aretina
Manadio
hoditra
Manome
otrikaina
Zava-pisotro avy
amin’ny legioma sy
voankazo
Ny sakafo ara-pahasalamana
dia ilaina mba hahafeno ny
otrikaina sy hery fiarovana
ilain’ny vatana.
Misy ny tsara ho fantatra momba ny
sakafo mahasalama sy ny sakafo
tokony ho fadiana raha marary.
Tokony hihinana voankazo sy anana
ary legioma isanandro mba ho salama.
Ilaina ho ampy ny rano. Ahena ny
fatran’ny hena, sira, siramamy, ary ny
menaka amin’ny sakafo.
Tongolo be,sakamalaho, clou de girofle, ary
tongolo gasy:Voasana ny sakamalaho lehibe iray
efa voasasa, ary tetehina madinika. Atao anaty
laona kely, ary ampiana tongolo onion 2 na 3
voatetika sy tongolo gasy singany 7 sy clou de
girofle singany 7. Totoina anaty laona kely ireo,
ary asiana vaingan-tsira 1. Atao anaty fitaovana
afaka misarona tsara. Hohanina 1 sotrokely isaky
ny adiny iray. Tohizana 3-5 andro.
Tamotamo: raha vovony dia tamotamo 1
sotrokely safovavany no atao anaty rano
matimaty 1 vera. Sotroina 1 vera maraina ary 1
vera hariva.
Menaka oliva: Alohan’ny hatory, osory diloilo
oliva kely ny handria sy ny tarehy, indrindra ny
ambonin’ny maso roa, ary ny faritra manodidina
ny orona.
Azo atao koa ny mampiasa menaka diloilo coco
asiana hile essentiel ravintsara raha tsy misy
menaka oliva.
Dite voasary makirana, sakamalaho ary tantely:
Voasary makirana 1 sy sakamalaho kelikely 1 no
ampangotrahina amin’ny rano 1 litatra. Rehefa
mangotraka tsara dia atao anaty vera, ary
asiana tantely 1 sotrokely. Sotroina in-telo
isanandro alohan’ny sakafo.
Orona
tsentsina
Manasa orona amin’ny ranon-tsira: Maka rano
matimaty 1 vera, asio sira vaingany na siran-
dranomasina ½ sotrokely. Afangaroy. Atao
matsantso ny sira raha manandrana io fangaro
io. Atao amin’ny felantanana ny rano, ary
trohina amin’ny orona ankavia. Avy eo aisina ny
lelo. Trohina amin’ny orona ankavanana koa ny
rano amin’ny felantanana dia aisina. Sasaina
amin’ny fanondro ny anaty lavakorona avy eo.
Dite sakamalaho: Maka sakamalaho kely dia
atao anaty rano mangotraka 1 vera rehefa
voakiky madinika. Afaka asiana siramamy.
Marary tenda: Maka alamo (alum) 1 laingon-
tsotrokely, atao anaty rano matimaty 1/2 vera.
Atao gararaka alohan’ny sakafo maraina,
atoandro sy hariva.
Ranon-tsira: Ity dia fanadiovana orona tsentsina
na be lelo. Makà rano matimaty 1 vera. Asio sira
½ sotrokely, ary atao goty anaty lavak’orona
havia sy havanana, maraina sy hariva.
Manao mafana tsara: mety vokatry ny andro
mangatsiaka koa no mahatonga ny orona ho
tsentsina. Tsara raha manao bàn-kiraro sy kiraro
na dia ao an-trano aza.
Evoka kininim-potsy sy ravintsara:
Ampangotrahy anaty rano 5 litatra ny ravin-
kininim-potsy sy ravintsara in-droa amin’ny
habetsany eo amin’ny sary. Ataovy matevina
tsara ny lamba isaronana rehefa mievoka. Azo
angalana 1 vera io rehefa nangotraka, hosotroina
rehefa avy mievoka. Tsy tsara sotroina mangidy.
Orona,
Tenda,
Tazo
Sakamalaho: Manala rehoka. Ampangotrahy
anaty rano 2 vera ny sakamalaho efa voakiky 1
sotro. Rehefa mangotraka kelikely dia esory
ambony afo. Asio tantely 2 sotro. Sotroina 1 vera
maraina, 1 vera hariva mandritra ny
herinandro.
Gararaka Ranon-tsira: Manala rehoka.
Mampangotraka rano 1 vera misy sira kely.
Voasary makirana : Manala rehoka madity
anaty tratra, manala ny mangidihidy anaty
tenda (gripa mahery). Ampangotrahana anaty
rano 2 litatra ny voasary makirana 3 na 4
voatapaka roa, miaraka amin’ny hodiny.
Potserina ilay voasary rehefa avy nangotraka.
Avela anaty rano ihany ilay hodiny mba ho
fermenté. Avela hilona miaraka amin’ny hodiny
indray alina ary sotroina 1 vera isa-maraina, ½
vera hariva (mandritra ny 3–5 andro).
Tamotamo sy voasary makirana:
Manala rehoka. Ampangotrahy anaty rano 2
vera ny tamotamo efa voakiky madinika tsara
na tamotamo vovony 1 sotrokely. Rehefa
mangotraka kelikely dia esory ambony afo. Asio
ranom-boasary makirana 2 sotro. Azo asiana
tantely 1 sotrokely. Sotroina 1 vera maraina, 1
hariva mandritra ny herinandro.
Mananasy: Manala rehoka. Mihinana
mananasy kely isanandro mandritra ny
herinandro, na totoina ny mananasy dia
misotroa 1/2 vera isanandro mandritra ny
herinandro. Ranona mananasy:
ampangotrahina anaty rano 1 litatra ny
hoditra mananasy. Asio siramamy mena na
tantely kely rehefa misotro azy.
TRATRA
Tongolo , tantely, voasary makirana, ary
sakamalaho: Manamasaka kohaka, manala
rehoka. Kikiso madinika tsara ny tongolo 1,
tongolo gasy feno 1 ary sakamalaho 2 sotrokely.
Afangaroy ranom-boasary makirana 1 sy tantely
1 sotrokely. Mihinana 1 sotro isaky ny adiny
efatra mandritra ny 3-4 andro. Raha ankizy dia
tsy atao masiaka loatra ny sakamalaho.
Tongolo : Miaro amin’ny kohaka, aretin-tratra,
ny asma. Manampy amin’ny fivalanan-drano.
Ranon-tongolo: tetehina madinika tsara ny
tongolo 1. lomana anaty rano 1 vera mandritra
ny alina. Sotroina rehefa avy misakafo maraina.
Raha afaka roa andro nihinanana ireo ody
kohaka ireo nefa tsy mbola misy fiovana, dia
mety ho alerzia no mahatonga ny kohaka. Ilaina
ho fantarina ny zavatra tsy zakan’ny marary.
Mokinazy :
Manamasaka kohaka, manamora ny fivoahan’ny
rehoka. Azo ohanina lena na maina ny
mokinazy.
Azo atao koa ny mampangotraka rano 1 litatra.
Arotsaka ao ny mokinazy 1 tanana. Azo afangaro
amin’ny voaloboka maina na daty kelikely. Atao
very sasaka ilay rano vao esorina ny afo.
Misotroa ½ vera isaky ny avy misakafo in-3
isanandro. Tsy mila asiana siramamy.
Sirop tongolo: totoina madinika tsara ny tongolo
3 lehibe. Asio tantely na siramamy mena 2
sotrokely. Avela 1 andro. Mihinana 1 sotro in-3 na
in-4 isanandro.
Anandrano: Manamasaka kohaka, manamora ny
fivoahan’ny rehoka. Sasaina madio tsara ny
anandrano dia atao salady, asiana tongolo,
ranom-boasary makirana sy menaka kely.
Mihinana in-3 isan-kerinandro.
TRATRA
Tamotamo: manadio aty, manatsara ny
fandevonan-kanina, manavao ny selan’ny aty.
Ampangotrahy anaty rano roa vera ny
tamotamo ½ sotrokely. Sotroy indroa isanandro,
1 vera maraina, 1 hariva, mandritra ny roa
herinandro. Fadio ny chocolat sy toaka ary ny
kafe raha marary aty.
Betiravy: Manadio aty, manatsara ny fiasany,
manadio rà. Kikisana madinika ny betiravy lehibe
iray. Asio menaka oliva 2 sotrokely sy ranon-
mboasary makirana ½. Afangaroy tsara. Mihinana 2
sotrokely isaky ny adiny 2 mandritra ny herinandro.
Lasary laisoa manta: Sasaina tsara ny laisoa.
Teteho madinika tsara. Asio saosy amin’ny
ranom-boasary makirana sy menaka oliva kely
ary sira. Asio tongolo ihany koa. Mihinana 4
na 5 sotro lehibe isanandro mandra-pialan’ny
tasy sy ny hidihidy na koa fery vokatry ny
aretin’aty amin’ny hoditra.
Paoma: Antoka ho an’ny fahasalaman’ny aty,
manala loto any amin’ny taova fandevonan-
kanina, manala kolesterola amin’ny rà.
Mihinana paoma 1 isanandro, na misotro
ranom-boankazo paoma 1 vera isanandro rehefa
vokatra ny paoma.
ATY
Tongolo gasy: manadio aty, manatsara ny
fiasany, miaro. Tsara raha mihinana tongolo
gasy manta 2 na 3 amin’ny lasary isanandro.
Fadio koa ny zava-pisotro misy alikaola, ny
sigara, ny mihinana hena be loatra, ny kafe, ny
siramamy fotsy, ary ny sakafo tsy natoraly,
saosy anaty pate jaune rehetra, sy ny sakafo
misy produits chimiques, fa manimba ny aty.
Zavoka:
Manampy ny aty, manatsara ny fiasany,
mampihena ny fatran’ny kolesteraola ratsy,
mampitombo ny fatran’ny kolesteraaola tsara.
Mihinana zavoka 3 isakerinandro mandritra
ny 1 volana.
Dite maitso / ravim-boafotsy:
Manadio ny taova, manala loto ao anaty,
manome rano ny vatana.
Misotroa dite maitso 2 na 3 vera
isanandro. Asio tantely kely raha tiana
ho mamy. Fadio kosa nefa ny misotro dite
maitso be loatra fa tsy tsara ho an’ny
fahasalamana izany.
Broccoli:
Manampy amin’ny fahasalaman’ny aty,
manala loto any amin’ny taova fandevonan-
kanina, manome vitamina E.
Andrahoina mandritry ny 10 minitra ny
broccoli. Atao lasary asiana voasary makirana
1 sy menaka kely in-3 isan-kerinandro.
Sakafo hafa: Radis, salady maitso, aoberzina,
oliva, anana, soja, voamaina, seleria (sotroina,
manta)
ATY
Voamadilo: Manadio aty, manatsara ny
fiasan’ny aty sy vésicule biliaire, miaro ny
tsinay. Voasy ary sasao ny voamadilo fahefan-
kilao. Asio rano mafana 2 vera. Rehefa
voafangaro tsara dia ampio rano mafana 4 vera.
Avelao hipetraka 5 minitra. Tantavano. Asio
tantely 3 sotro. Sotroina mangatsiaka in-2 na in-
3 isanandro. Raha tsy mahita voamadilo
amin]akorany dia izay misy eny an=tsena no
vidiana, ka ampangotrahina anaty rano no
hanaovana azy.
Anandrano:
Manadio ra, manome vitamina A sy C, fera sy
ioda. Tsara ho an’ny olona artritika, misy goty,
matavy, tsy ampy ra, misy eczéma na fery
vokatry ny aretin’aty. Mihinana salady
anandrano efatra sotro asiana ranom-boasary
makirana sy menaka kely in-1 na 2 isan-
kerinandro mandritra ny 1 volana. Tsy tsara ho
an’ny vehivavy bevohoka.
Paoma :
Manadio ny aoa anaty, manadio hodittra.
Tsara ho an’ny marary aty, misy eczéma,
ambony tosi-dra, be kolesterola.
Mihinana paoma 3 na 4 isanandro rehefa
vokatra fa tena mahasalama ny paoma. Azo
atao ranom-boankazo koa, ary tsy asiana
tantely na siramamy.
Artichaut:
Manampy amin’ny fahasalaman’ny aty,
manala loto amin’ny ra, manome vitamina C.
Sasao ny artichaut. Tapaho ny lohany izay tsy
azo hohanina. Teteho ary endaso amin’ny
menaka kely sy tongolo, tongolo gasy ary
poivron. Azo ilaofana vary na afangaro amin’ny
vary efa masaka.
ATY
Corossol, noni, soanambo sy ny mitovy aminy:
anone, chérimole, corossol, noni : Mitondra
kalsioma, mineraly isankarazany, faosifaoro,
fera, potasioma, ary hery. Tsara ho an’ny
marary fo, marary vavony, marary kibo,
ambony tosi-drà, mitohana, diabetika, sy ny
matavy loatra, ... - Azo ohanina toy ny tsindrin-
tsakafo na atao ranom-boankazo. Mihinana 1
isanandro anaty 2 herinandro. Ny noni kosa dia
atao ranom-boankazo: asio akondro kely.
Voatavo: Manome sodioma. Tsara ho an’ny
marary fo, vavony, marary voa, tsy mahalevon-
kanina, mitan-drano be loatra ny hoditra,
mitohana. Tsara ho an’ny maso, miaro amin’ny
kansera. Tena mahasalama koa ny misotro
lasopy voatavo raha vao avy nifady hanina.
Atao lasopy ary azo asiana karaoty,
ovy, tongolo maitso in-3-5 isan-kerinandro.
Voasary pamplemosy :
Manadio rà, manadio lalan-dràl tsara ho an’ny
misy goty, artritika, sy ny marary aty ary ny
matavy loatra. Azo ohanina amin’izao isa-
maraina na atao ranom-boankazo ny
pamplemosy.
Vomanga: Manome vitamina B, C, potasioma,
mineraly, manezioma ary kalsioma. Sasao ny
vomanga. Andrahoy amin’ny rano. Mihinana
vomanga in-2 na in-3 isan-kerinandro. Azo
potserina anaty rano kely na ronono ny
vomanga.
Sakafo hafa: tsiasisa, fraizy, zavoka, katsaka,
voanin’ny tanamasoandro, poara, goavy,
voatabia (lasary), seleria, haricot vert, voamaina,
paiso
FO
Karaoty:
Manome vitamina A, manampy ny maso hahita
amin’ny alina na rehefa mitsilopilopy ny
hazavana. Azo andrahoina miaraka amin’ny ovy,
na atao lasary, na totoina dia atao ranom-
boankazo miaraka amin’ny voatabia sy
konkombra. Tena mahasalama raha
atao lasary manta isanandro.
Laisoa:
Manome vitamina A. Tetehina madinika tsara miaraka
amin’ny karaoty dia atao lasary. Asiana menaka kely sy
voasary makirana iray. Tena mahasalama raha ohanina
isanandro.
Epinara :
Mampatanjaka hozatra, miaro ny maso. Manome
vitamina C, A, E, folates, kalsioma, fera, manezioma,
potasioma, proteina. Miaro amin’ny katarakta.
Azo atao salady manta raha tsy mafy loatra. Asio
ranom-boasary makirana 1 sy menaka kely. Raha atao
rano kosa dia ½ vera isanandro ihany alohan’ny sakafo
maraina na hariva.
Sakafo hafa: voanin’ny tanamasoandro, amandy, anana
maintso isan-karazany atao salady isanandro.
Voatavo sy ny voaniny:
Miaro ny maso amin’ny katarakta.
Ny voaniny dia manome omega 3 betsaka tokoa.
Atao lasopy miaraka amin’ny karaoty sy ovy ary
tongolo maitso ny voatavo. Tsara ohanina in-3 na in-5
isan-kerinandro.
Ny voaniny kosa dia endasina tahaka ny voanjo rehefa
nesorina ny hodiny mafy, ary atao laoka vary sosoa.
Sakafo hafa: katsaka, betiravy, anandrano, manga,
salady maitso, broccoli, epinara, voatabia, poivron mena,
courgette, petits pois, voaloboka
MASO
Paiso abricot:
Manome vitamin A, C, E ary potasioma.
Mihinana paiso abricot masaka tsara ½ kilao
mandritra ny 3-4 andro ary asio mofo kely.
Trondro:
Manome omega-3 izay manatsara ny
maso ary mampihena ny katarakta.
Sakafo hafa: Menaka trondro sy sardine.
Epinara :
Mampatanjaka hozatra, miaro ny maso. Manome
vitamina C, A, E, folates, kalsioma, fera, manezioma,
potasioma, proteina. Miaro amin’ny katarakta.
Azo atao salady manta raha tsy mafy loatra. Asio
ranom-boasary makirana 1 sy menaka kely. Raha atao
rano kosa dia ½ vera isanandro ihany alohan’ny sakafo
maraina na hariva.
Sakafo hafa:
voanin’ny tanamasoandro, amandy,
anana maintso isan-karazany atao salady isanandro.
MASO
Konkombra voatetika: Mampihena ny
fanaintainan’ny maso reraka, manala hidihidy
anaty maso. Atao ao anaty vata
fampangatsiahana ny konkombra. Rehefa
mangatsiaka tsara dia tetehina ho fisaka, ka
singany roa no ilaina. Apetraho eo ambony
hodi-maso mikimpy ny konkombra voatetika
ireo mandritra ny 10’. Legioma hafa: ovy
manta nofisahina.
Rano: Miaro ny maso sy ny vatana tsy ho
maina. Raha mahatsiaro ho malailay ny
masonao, somary manjavona ny zavatra jerena,
ary ohatry ny misy zavatra manelingelina ao
anaty maso, dia manambara ny tsy
fahampian’ny rano sotroinao isanandro izany.
Vahona: esorina ny tsilo sy ny hodiny, ary ilay
hodiny iny no apetaka ambony hodi-maso
mikimpy. Ny atin’ny vahona kosa izay tsy
mangidy dia azo ohanina avy hatrany.
Ronono mafana sy tantely: Mampitony
sy manatsara ny maso voan’ny conjunctivitis.
Mamono bakteria ny tantely, ary ny ronono
kosa dia mampitony ny malailay amin’ny maso.
Afangaro ny ronono mafana (fa tsy
mangotraka) 1 sotro sy tantely 1 sotro, mitovy
fatra. Afangaroy tsara ny tantely sy ronono.
Atao goty 2 na 3 isaky ny maso, ary averina in-
3 isanandro. Sasaina tsara amin’ny rano
mangotraka sy savony ny fanaovana goty
alohan’ny hampiasana azy.
Menaka kinana na menaka oliva:
Mampihena ny fahamainan’ny maso, manatsara
ny maso, mampisy ranomaso ny maso maina izay
tsy mahavoaka ranomaso. Menaka kinana na
menaka oliva tsy mitampoka no atao anaty
fanaovana goty efa voasasa tsara. Alohan’ny hatory
dia asio kely ny maso tsirairay. Somary
manelingelina ny maso ny menaka amin’ny
voalohany, nefa rehefa matory dia hiala izany
fanaintainana izany. Raha tsy misy tavoangy
fanaovana goty, dia ny hodi-maso no asiana
menaka kely diq kely alohan’ny hatory, ary tsy
maintsy hisy hiditra ao anaty maso izany.
MASO
Lentille, lafarina feno, amandy, artichaut, vary
mena, chou-fleur, petits pois, mofo, ovy,
konkombra, yaourt, laisoa, tongolo gasy,
haninkotrana (vomanga, mangahazo, saonjo):
Mampandeha tsara ny fivoahana. Misotroa rano
ampy ho an’ny vatana isanandro. Mihinana
hanikotrana sy voamaina isan-kerinandro.
Mihinana voankazo, anana sy legioma betsaka
isanandro.
Ronono soja, ronono amandy, paoma, kaki,
akondro, karaoty, papay, vary gasy: Manome
hery raha mivalana, mampitsahatra fivalanana.
Misotroa rano betsaka raha mivalana. Mihinana
lasopy legioma, vary sosoa. Mampitsahatra
fivalanana: manatono vodimofo kely ho kila
tanteraka. Poteho ary ataovy anaty rano 1 vera
ny potimofo may 1 sotrokely. Afangaroy tsara ary
sotroina 1 maraina 1 hariva.
Voankazo : paoma, paiso, fraizy,
voasary, framboazy, daty,
Mampandeha tsara ny fivoahana.
Mazotoa mihinana voankazo, anana sy legioma
betsaka isanandro.
Voankazo: akondro sy chocolat.
Mampitsahatra fivalanana> Voasana ny
akondro 1, andrahoina anaty vilany kely, asiana
chocolat singany 4. Afangaro ary rehefa vita dia
esory ambony afo. Mihinana 1 maraina, 1 hariva
mandritra ny 1 andro.
KIBO
Corossol, noni, soanambo sy ny mitovy aminy:
anone, chérimole, corossol, noni: Mitondra
kalsioma, mineraly isankarazany, faosifaoro,
fera, potasioma, ary hery. Tsara ho an’ny
marary fo, marary vavony, marary kibo,
ambony tosi-drà, mitohana, diabetika, sy ny
matavy loatra, ... - Azo ohanina toy ny tsindrin-
tsakafo na atao ranom-boankazo. Mihinana 1
isanandro anaty 2 herinandro. Ny noni kosa dia
atao ranom-boankazo: asio akondro kely.
Voatavo: Tsara ho an’ny marary fo, vavony,
marary voa, tsy mahalevon-kanina, mitan-drano
be loatra ny hoditra, mitohana. Tsara ho an’ny
maso, miaro amin’ny kansera. Tena mahasalama
koa ny misotro lasopy voatavo raha vao avy
nifady hanina. Atao lasopy ary azo asiana
karaoty, ovy, tongolo maitso in-3-5 isan-
kerinandro.
Ovy: Manala masinaty amin’ny
vavony ny ovy manta. Sasao ary voasy ny ovy 1.
Kikiso madinika tsara. Afangaroy tsara amin’ny
rano 1 vera. Sotroina 1 maraina 1 hariva
mialoha ny sakafo. Lasary ovy: Sasao ary kikiso
madinika ny ovy. Asio karaoty sy tongolo koa.
Asio ranom-boasary makirana, poivron, ary
menaka oliva. Azo andrahoina koa ny ovy,
potsehina na atao lasopy miaraka amin’ny
voatavo sy legioma hafa.
Laisoa fotsy / maitso / mena , anam-be: Manadio
ra, manala loto ao anaty, manasitrana aretim-
bavony, mahasalama ny aty sy tsinay. Manala
masinaty. Miaro amin’ny kansera, diabeta,
aretin’ aty. Sasao ny laisoa ¼ ary teteho
madinika tsara. Asio tongolo, karaoty sy poivron
koa. Ary asio saosy ranom-boasary makirana sy
menaka kely.
VAVONY
Celeri: Manadio ra, mampihena ny tahan’ny
kolesteraola, manadio ny voa. Hohanina manta:
atao salady ny seleria sy ny tahony malemy. Asio
saosy sy tongolo. Azo atao rano fisotro koa:
totoina ny raviny sy ny tahony malemy, asiana
rano sy ranom-boasary makirana kely. Misotroa
½ vera rehefa misakafo. Azo afangaro amin’ny
lasopy koa ny seleria.
Asperge: Manome faolaty, vitamina A, B, C sy E
ny asperge. Mampandeha ny pipi, manadio aty
sy ra, ary tsy mampitohana fivalanana.
Ampangotrahina mandritra ny 5-10 minitra ny
asperge. Raha mafy loatra ny tahony dia voasy.
Endaso amin’ny menaka kely sy tongolo na
atono ny asperge. Legioma hafa: aubergine (tsy
maintsy andrahoina ho masaka tsara)
Ovy :
Manadio ra, manampy ny voa hanao tsara ny
asany. Tsy azo ohanina kosa raha efa lasa lavitra
ny aretin’ny voa (insuffisance rénale avancée)>
Sasao ary voasy ny ovy manta 1. Kikiso
madinika tsara. Afangaroy tsara amin’ny rano 1
vera. Sotroina 1 maraina 1 hariva mialoha ny
sakafo. Tsara koa ny mihinana lasary ovy manta
Voankazo:
Melon, cantaloupe, voatango, pasteque, paiso
Manadio ra sy manala loto ao anaty, manadio
ny voa, mahasalama ny taova fandevonan-
kanina sy tsinay ary ny voa. Mihinana ireo
voankazo ireo aoriana sy anelanelan’ny sakafo.
VOA
Anandrano: Manamafy ny fakam-bolo, miaro
mba tsy hihintsana na hiongotra ny volo. Totoina
ny anandrano. Atao anaty lamba, fiazana sady
alaina ny ranony. Osory ny hodi-doha 30
minitra mialohan’ny hanasana loha. Azo atao
koa ny misotro ranon’anandrano kely (totoina
ary asiana rano 1 vera) na mihinana salady
anandrano kely isan-kerinandro.
Epinara: Manamafy ny fakam-bolo, miaro mba
tsy hihintsana na hiongotra ny volo. Totoina ny
anandrano. Atao anaty lamba, fiazana sady
alaina ny ranony. Osorana ny hodi-doha 30
minitra mialohan’ny hanasana loha.
Andrahoina koa ny epinara ary ohanina.
Tongolo : Mampaniry volo. 1 - Teteho
manifinify ny tongolo 1. Osory tongolo ny
hodi-doha izay tsy misy volo. Sasao ny loha
rehefa afaka 15-30 minitra. 2 - Afangaroy ny
tantely 1 sotro, menaka oliva 1 sotro, sy
tamenak’atody 1. Osory tsara ny hodi-doha
ary hotrorina koa. Avela hilona 15-30 minitra
vao sasaina tsara ny volo. Azo soloina diloilo
coco ny menaka olive raha tsy mahita ianao.
Karibonetra: Manala angadrano. - Rehefa
avy manasa loha dia kobanina amin’ny rano
misy karibonetra ½ sotrokely ny volo.
Konkombra: Mahatsara ny volo, hoho, hoditra.
Totoina madinika tsara ny concombre ½, asio
rano 1 vera. Misotroa 1 vera in-2 isan-
kerinandro. Azo atao koa ny mihinana lasary
concombre in-3 na in-4 isan-kerinandro. Sakafo
hafa: tsaramaso fotsy, coco, karaoty, salady,
voankazo mavomavo, voatavo, vary mena, celeri,
sakafo misy vitamina A sy B.
VOLO
Sakafo mitondra vitamina C: Sakay fantsin’
akoholahy mena, poivron masaka (mena na
mavo), anana ramirebaka, anana maitso isan-
karazany, voatabia, laisoa. Atao salady manta fa
tsy andrahoina. Ireto kosa dia atao mantamanta:
voatavo, choux fleur, broccoli, epinara, asperza.
Voankazo: papay, fraizy, mananasy, kiwi,
voasary pamplemosy, goavy, manga, paiso,
voantango,
Mampitombo hery fiarovana: Voanjo, mahabibo,
sy ny karazany; sakay fantsin’ akoholahy mena,
yaourt, lasopy ron’ akoho, soja, ronono soja,
divay mena, anana maitso atao salady manta,
dite maitso, vomanga, tamotamo, cannelle,
tantely, tongolo sy tongolo gasy, voasary.
Misotroa rano sahaza ho an’ny vatanao
isanandro.
Sakafo mitondra kalsioma:
Trondro isan-karazany, menaka trondro, ronono,
tamenak’ atody, voamaina atin-kena omby,
yaourt, Tokony hatao koa ny mitanin’ andro
isanandro mba hanamafy ny taolana. Sakafo
mitondra antibiotika: Tongolo, tongolo gasy,
tantely, tamotamo, voasary makirana, menaka
coco, sakamalaho, mananasy, cannelle, laisoa,
oregan, romarin, thym, coriandre, clou de girofle,
basil, poivre, persil (manampy amin’ny
fitadidiana).
Mampahatanjaka haingana: Afangaro ny vovoka
cannelle sy tamotamo (3 sotrokely avy), ranom-boasary
makirana 2 sy tantely 2 sotrokely. Atao anaty bocale
misarona tsara. Mba hampitombo ny herinao raha
rerak ianao dia mihinana an’io fangaro io roa sotrokely
maraina, roa hariva. Mampatanjaka: afangaroy ny
tantely, ranom-boasary makirana 1 sy atody 1, ary
hohanina mandritra ny roa andro. Marihina fa ny
fangaro izay natao voalohany io dia hohanina daholo,
ary manamboatra vaovao indray ho amin’ny andro
faharoa.:
HERY FIAROVANA
Isaorana anie Andriamanitra
nahafahana nanatontosa ity bokikely
ity. Mbola maro ny zavatra tsy voalaza
ao anatiny, fa misy boky vitsivitsy etsy
ambany mba ahafahanao mandalina
misimisy kokoa. Na dia voalaza aza fa
manasitrana aretina ny otra sy ny
sakafo, dia ny dian-kapoka tamin’i
Jesosy irery ihany no tena manasitrana
ny aretina rehetra. Koa aoka isika
hivavaka mandrakariva sy hangataka
fanasitranana avy Aminy. Ho Azy anie
ny saotra sy dera sy voninahitra ary ny
fanjakana mandrakizay. Amena.
Teny famaranana
Hery azo avy amin’ny soja:
Menaka omega-3 : tsara ho an’ny fo, miady
amin’ny kansera, alzheimer, osteoporosis,
diabeta; mineraly: kalsioma, fer, manezioma,
selenioma ary proteina feno. Azo atao
ronono ny soja, azo atao laoka koa.
Mofo soja: afangaro ny koba sy soja vovony. Asiana
siramamy, rano na ronono, lavanila na cannelle,
atody, leviora kely. Asiana menaka kely ny lapoaly.
Endasina ny lafiny roa.
Saosy soja: Lomana mandritra ny alina ny soja 1
kapoaka; ary totoina amin’ny maraina. Atao anaty
rano 2 litatra . Ampangotrahina. Rehefa avy eo dia
tsihifina ny faikan’ilay soja. Asiana siramamy kely, dia
vita ny ronono. Azo asiana cannelle kely raha tsy
tinao ny fofony. Rehefa avy eo dia endasina amin’ny
tongolo, tongolo gasy, kotomila sy tongolo maintso ny
faikan’ilay soja. Asiana vovo-mangahazo 1 sotro
(fécule), rano kelikely, afangaro tsara mandra-
pahamasaky ny saosy soja.
Fomba fikarakarana soja
Laoka soja:
Mahasolo hena ny soja. Afangaro ny soja
efa voatoto, lafarina izay
mampitambatra azy, tongolo, tongolo
maintso efa voatetika, tongolo gasy,
sakamalaho kely, sira. Volavolaina ho
boribory na boribory lavalava, dia
endasina amin’ny menaka.
Loharano niaingana:
-Guides des Aliments et de leur
Pouvoir Curatif – Bibliotheque
Education et Santé, v 1-2-3
-Chinese Pediatric Massage
-Acupuncture – TCM Advisory
-Shiatsu Self Massage –
www.voguelgroup.com
-Epilepsy and seizures – The
center for Development –
Lawrence Wilson, MD, 2010
-Hygiene Naturelle-Alimentation
– www.hygienenaturelle-
alimentation.com/ article-reduire-
ses-douleurs-articulaire...

More Related Content

More from Fiangonan'Andriamanitra Miray

从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAFiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEFiangonan'Andriamanitra Miray
 
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETGRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETFiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...Fiangonan'Andriamanitra Miray
 
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTHABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTHFiangonan'Andriamanitra Miray
 

More from Fiangonan'Andriamanitra Miray (20)

Ambasadaoro Kolejy Fianarana Baiboly
Ambasadaoro Kolejy Fianarana BaibolyAmbasadaoro Kolejy Fianarana Baiboly
Ambasadaoro Kolejy Fianarana Baiboly
 
Raki-peo Mirakitra Toriteny
Raki-peo Mirakitra ToritenyRaki-peo Mirakitra Toriteny
Raki-peo Mirakitra Toriteny
 
Ambasadaoro Kolejy
Ambasadaoro Kolejy Ambasadaoro Kolejy
Ambasadaoro Kolejy
 
Taom-Baovaon'i Jehovah
Taom-Baovaon'i JehovahTaom-Baovaon'i Jehovah
Taom-Baovaon'i Jehovah
 
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny ApokalypsyNy Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
Ny Lakilen'ny Bokin'ny Apokalypsy
 
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema VaovaoLanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
Lanitra Vaovao, Tany Vaovao ary Jerosalema Vaovao
 
Oviana Marina no Teraka i kristy?
Oviana Marina no Teraka i kristy?Oviana Marina no Teraka i kristy?
Oviana Marina no Teraka i kristy?
 
Fiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahanaFiderana sy fanafahana
Fiderana sy fanafahana
 
Valisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny MinoValisoa ho an ny Mino
Valisoa ho an ny Mino
 
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
Soavaly Efatra (Apokalypsy 6)
 
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
从暴行到瘟疫和灾难: 上帝的愤怒 在地球上?
 
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?
 
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA  ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
FAHAVETAVETANA, ARETI-MANDRINGANA, LOZA ARY NY KAPOAKY NY FAHATEZERAN’ ANDRI...
 
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRAABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
ABOMINACIONES, PESTILENCIA, TRIBULACIÓN -- LA IRA DE DIOS SOBRE LA TIERRA
 
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDEABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
ABOMINATION, PESTILENZ, TRIBULATION: GOTTES ZORN AUF DER ERDE
 
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIETGRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
GRUWELS, PLAAG EN VERDRUKKING - GOD SE TOORN WORD OP AARDE UITGEGIET
 
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION  --  LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
ABOMINATIONS, PESTE, ET TRIBULATION -- LES COURROUX DE DIEU VERSÉS SUR LA T...
 
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTHABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
ABOMINATION, PESTILENCE, TRIBULATION: GOD’S WRATH UPON THE EARTH
 
God’s Kingdom, A Hidden Treasure
God’s Kingdom, A Hidden Treasure God’s Kingdom, A Hidden Treasure
God’s Kingdom, A Hidden Treasure
 
Harena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
Harena Nafenina ny Fanjakan'AndriamanitraHarena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
Harena Nafenina ny Fanjakan'Andriamanitra
 

Fitsaboana amin'ny otra sy sakafo

  • 2. I.- Fitsaboana amin’ny otra 1. Ny fanorana tarehy 2. Ny fanorana faladia sy fela-tanana 3. Fanorana ny faritra marary 4. Fanorana ireo faritra entina mitsabo aretina II.- Fahasalamana sy ny sakafo 1. Ireo sakafo ara- pahasalamana 2. Anana, legioma, voankazo 3. Zava-pisotro mahasalama 4. Sakafo mahasalama
  • 3. Ny aretina mpahazo ny olona no azo tsaboina amin’ny alalan’ny otra na ny fanapotsipotsirana ny faritra marary sy ireo faritra voatokana hanatanterahana ny fitsaboana amin’ny alalan’ny otra. Manala ny aretina hatramin’ny fakany ny otra arahina vavaka; satria ny mpanotra dia fitaovana ihany, fa Jesosy Kristy no mampitsahatra sy manasitra ireo fambaran’ aretina rehetra. Ny otra dia fomba fitsaboana entina manasitrana ny faritra marary, mamerina ny fiasan’ny taova amin’ny laoniny, manasitrana ny hozatra, ny ratsam-batana rehetra amin’ny laoniny. Ny sakafo hohanina isanandro koa dia mitana anjara toerana lehibe tokoa eo amin’ny fahasalamana. Noho izany, dia ilaina ny mihinana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana. Fadio ny toaka, sigara, paraky, ny menaka sy ny siramamy be loatra. Fadio koa ny mihinana hena be loatra.
  • 4. Amin’ny ankapobeny dia tsy misy voka-dratsy ny otra. Nefa na izany aza, dia ilaina fitandremana fatratra ny fanatanterahana azy, satria misy faritra tsy tokony hopotserina na orina amin’ny vatan’ny olombelona. Misy koa ny fitandremana sy ny tsara ho fantatra manokana momba ny fanorana ny vehivavy bevohoka. Tsy tokony horina ny olona manana aretina mikasika ny lalan-drà na ambony tosi-drà, na ny marary mafy. Tsy tokony horina koa ny fery, na takom-pery, na ny olona vao avy nodidiana tanatin’ny iray volana. Nefa kosa, azo atao ny manotra ny faritra hafa alavitr’ilay fery na ilay faritra marary, mba hanafaingana ny fahasitranan’ilay marary.
  • 5. Tsy tokony hopotserina mafy loatra ny faritra orina. Ny fanorana araka ny tokony ho izy no manala havizanana sy manasitrana tanteraka; fa raha atao marary kosa ny otra dia hampitombo ny aretina sy ny havizanan’ilay marary izany. Tsara ho fantatra koa fa misy ireo sakafo tsy tokony hohanin’ny marary mba tsy hampihombo ny aretiny, ary misy koa ny sakafo tokony hohaniny mba hanafaingana ny fitsaboana sy ny fanasitranana. Ohatra amin’izany, raha marary vavony ilay marary, dia inona no sakafo tokony hohaniny? Ary inona no tsy tokony hohaniny? Faritra inona amin’ny vatany no tokony horina mba hahasitrana azy faingana?
  • 6. Misy karazany maro ny otra. Ireto voalaza manaraka ireto dia santionany amin’ izany:  Fanorana ny tarehy  Fanorana ny faladia sy ny fela-tanana  Fanorana entina mitsabo aretina sy mampitsahatra fanaintainana  Fanorana hanalana tavy sy fampahiazana Ampahany vitsy ihany nefa no aseho amin’ity boky ity.
  • 7. Entina manala havizanana sy aretina amin’ny faritry ny loha ny fanorana tarehy. Ao koa ny fanorana ny faritry ny handrina hanalana sinozita. Ilaina fahaizana manokana ny fanatanterahana azy. Mety hampiasa menaka voatokana ny mpanotra. Mety hampiarahany amin’ny otra fela-tànana sy faladia koa ny fanorana tarehy raha toa ka marary an-doha na marary maso ny marary.
  • 8.
  • 9. Entina mitsabo sy mamerina ny fiasan’ny taova amin’ny laoniny ny fanorana ny faladia sy ny fela-tànana. Ilaina fandalinana sy fahaizana manokana ny fahafantarana ny toerana maneho ny taovan’ny olombelona eo amin’ny faladiany. Mety hampiasa fitaovana manokana ny mpanotra rehefa manotra. Haingana kokoa ny fiasan’ny fanorana faladia raha misy taova marary. Tsara raha hampiarahina amin’ny otra hafa koa izy.
  • 10.
  • 11. Asesy avy amin’ny rantsan-tongotra rehetra, ny tongotra ankavia aloha, vao ny ankavanana. Avy eo dia midina hatrany hatrany. Mety maharitra 3 na 5 minitra ny fanorana ny faritra iray. Mila fianarana manokana ny momba ny fanorana faladia. Tsara raha manitsanitsaka vatokely isanandro koa mba ho salama tsara na dia mbola tsy marary aza, mba hampikoriana tsara ny lalan0dra sy hampiasa tsara ny taova rehetra. Tsy voatery hampiarahina foana akory ny fanorana faladia sy ny fela-tanana. Tsara horina matetika ny rantsan-tongotra (asehon’ny sary) sy ny rantsan-tanana (ao amin’ny sary manaraka), ary potserina tsy dia mafy loatra mandritra ny 5-10 minitra izay faritra marary. 1
  • 12.
  • 13. Tsy azo atao marary loatra ny fanorana ny faritra marary toy ny folaka na mioritra, na vizana. Azo atao ny mampiasa menaka voatokana rehefa manotra. Ohatra amin’izany ny menak’omby, ampiasaina amin’ny folaka, mioritra, marary lamosina, fanalana sinozita na marary kibo. Ao koa ny menaka oliva sy ny menaka diloilo coco. Azo atao koa ny manafangaro savony fotsy, voakiky madinika, amin’ny menaka coco na mena-boanjo kelikely raha manotra faladia.
  • 14. .. AMBANY CHEVILLE . .. . AMBAVA-FO . .. TAMPON- DOHA .SOROKA . . . . ..
  • 15. Samy manana ny asany avy ireo faritra 15 ireo ary mety hifameno izy rehefa ampiasaina hitsaboana aretina. Ny fanondro no ampiasaina rehefa manotra ireo faritra voatokana. Ilaina fitandremana sy fandalinana manokana ny fitsaboana aretina amin’ny alalan’ny fanorana ny faritra voatokana mba hahasitrana tanteraka ilay marary. Tsy potserina mafy loatra ny faritra voatokana, ary mandritra ny 5 minitra eo ho eo no iasana amin’ny faritra iray. Ny faritry ny hatoka dia saro-pady, ka tsy horina, fa ametrahana tanana sy hivavahana, raha marary noho ny antony samihafa.
  • 16. Tsara ho fantatra 1: Ny fanondro ihany koa no ampiasaina rehefa mitady ny faritra voatokana ho orina eo amin’ny vatana. Toy izao no fanaovana azy: Tsara ho fantatra 2: Rehefa vita ny otra na fanapotserana dia misotro rano 2 vera ny marary mba hanala ny toksina na aretina avy anaty vatana. Tsara raha hivavahana foana aloha ny rano vao sotroiny.
  • 17. Ireto avy ny faritra voatokana hopotserina rehefa marary andoha, nefa tsy dia voatery hopotserina avokoa akory ireo faritra ireo vao mitsahatra ny aretin’ andoha. Raha stress no mahazo dia ny 1, ny 6 (anatiny sy ivelany), ny 8 dia efa ampy. TSY atao mafy be mampikaikaika ny marary ny fanapotserana.
  • 18. Ireto avy ny faritra voatokana hopotserina rehefa marary andoha, noho ny sinozita. Orina midina manaraka ny toro-marika ary menak’omby sy sakamalaho kelikely voatoto no anorana azy. Averina isa- maraina sy hariva ny otra ary mihinana tongolo 1 sy tongolo gasy singany 3 isaky ny hariva mandritra ny 5 andro.Tsy tsara mihinana tavin-kena sy fraomazy na crème fraiche, sy izay zavatra mety tsy zaka ka mety ho nahatonga ny aretina.
  • 19. Ireto faritra 4 voatondron’ny tsipika no tena fototra ka tokony atao voalohany. Mety harary ireo raha efa ela ny kohaka, fa atao malefadefaka mandra-pitsahatry ny marary ny fanapotsirana azy, ary atao manaraka ny toro-lalana, avy ankavia mankeo afovoany aloha; avy eo dia avy ankavanana mankeo afovoany koa; ary farany dia avy eo afovoany ambany no miakatra. Asaina mikohaka ny marary rehefa vita izany, ary mety hampiana tosika miakatra amin’ny tenda ny fanalany ny rehoka tao anaty tratra tao.
  • 20. Ireto faritra 4 voatondron’ny tsipika manga no horina, ary atao manaraka ny tondro zotra mangamanga izany, ka avy eo amin’ny am-bavafo no midina miankavia. Marary dia marary ilay faritry ny am-bavafo, raha marary ny kibo. Noho izany, atao malefaka dia malefaka ny otra, ary hafanaina amin’ny labozia ny tànana efa nosorana menaka kely ary ilay faritra koa dia hosorana menaka kely mialohan’ny fanorana. Atao midina tsimoramora mandra- pitsahatry ny marary izany fanapotsirana azy. Ny ambany foitra koa dia atao torak’izany ihany. Fanamarihana: Raha toa ka somary misy mivonto eo amin’ny am-bavafon’ilay marary na ao anaty kibo, dia tsy orina. Mampangotraka rano 1 litatra; io no ivavahana ary sotroin’ilay marary 3 andro vao maraina izany, alohan’ny sakafo maraina. Raha vao lany ilay rano 1 litatra dia miankohoka mivavaka mba sady manafana ilay kibo ilay marary. Mety hampivalana ity fitsaboana ity satria manala ilay aretina ao anatiny ao. Sotroina mafana araka izay zaka ilay rano, ary sotroina tsy miatoato loatra. Natokana ho an’ny olon-dehibe sy ankizy lehibe ity.
  • 21. Araka ny sary, ny lavaka ao ambadiky ny cheville ankavia sy ankavanana no potserina araka izay zaka. Marary dia marary ilay faritry ny tongotra io, raha marary ny valahana. Noho izany, atao araka izay zaka ny otra. Tsy mila asiana menaka akory fa fanapotserana fotsiny no hatao. Atao telo andro misesy.
  • 22.
  • 23. Misy fiantraikany amin’ny taova ao anatintsika ny sakafo hohanintsika isanandro. Ny fihinanana sakafo matsiro loatra matetika dia tena mankarary ny taova. Ilaina tokoa, arak’izany, ny mandanjalanja ny sakafo hohanina isanandro, mba hahafeno ny hery fiarovana sy otrikaina entin’ny sakafo, ary mba tsy hankarary ny taova ao anatintsika. Ilaina torak’izany koa ny fisotroana rano mba hahazoana hery.
  • 24. Tsiron-tsakafo Ohatra Taova Malaholaho / mafana Sakamalaho, solila na menthe havokavoka na poumons, tsinaibe na gros intestin Mamy Tantely, siramamy, voankazo Vavony na estomac, rate Marikivy Voasary makirana, paiso mena aty na foie, vesicule biliare na sarakaty Mangidy Angivy, vahona fo na coeur, tsinaikely na intestin grele Masira Sakafo misy sira rein na voa, vessie na tatavia
  • 25. 2. Ny anana, legioma, voankazo Sakafo Mampandeha fivalanan-drano, mampihena fivontosana Mifoka rano, mampitsahatra fivalanana Misoroka fihombon’ny otrik’aretina eo amin’ny hoditra na ao anaty Miaro ny aty sy ny taova, mampihena ny aty mivonto Mitondra hery fiarovana, manome otrikaina, vitamina, kalsioma, Seleria, aoberzina, voatavo, pasiteka, poarao, asiperza Kaki, kaonkaombra, anana, salady Tongolobe, tongolo gasy, tamotamo, Artisao, betiravy, tamotamo, laisoa manta Amandy, laisoa manta, voasary, navet
  • 26. Sakafo Mampidina ny tahan’ny menaka, kolesteraola, tavy Miaro amin’ny kansera, mampikorianny ra Miaro amin’ny tsy fahampiana ra, mampisy mineraly Manadio taova, mampandeha tsara ny fiasany, tsy mampitohana Zavoka,kaonkaombra, voasary makirana Sakamalaho, voankazo, tamotamo Voanjo, lentilles, betiravy, paiso abricots, garana, epinara, anandrano Paiso menakely, katsaka, tsaramaso, aoberzina, lafarina feno
  • 27. Tsara ho fantatra: Misy karazan-tsakafo mety hampiakatra tosi-drà, toy ny anamamy; misy kosa karazan-tsakafo mety hampidina tosi-drà, toy ny anantsinahy sy ny garana. Ilaina ovaovaina ny sakafo hohanina isanandro mba hahafeno ny otrikaina sy hery fiarovana ilain’ny vatana. • Tokony hihinana voankazo sy anana ary legioma isanandro mba ho salama. Tokony hihinana anana manta in-telo na in-efatra isan-kerinandro, toy ny salady na salady anana isan-karazany. • Tsy maintsy misotro rano betsaka tsara koa izay mifanentana amin’ny taona sy ny vatana. Ny tsy fahampian-drano dia mankarary vavony, aty, maso, ary mahabetsaka ny mony amin’ny tarehy sy ny vatana. • Ahena ny fatran’ny hena, sira, siramamy, sy ny menaka hohanina. • Tsy mihinana sakafo koa anelanelan’ny fotoana fisakafoanana telo isanandro, fa rano no tokony sotroina mandritra ny elanelam-potoana.
  • 28. Manadio sy mamerina ny fiasan’ny ny taova Manome hery sy tanjaka Manasitrana aretina Manadio hoditra Manome otrikaina Zava-pisotro avy amin’ny legioma sy voankazo
  • 29. Ny sakafo ara-pahasalamana dia ilaina mba hahafeno ny otrikaina sy hery fiarovana ilain’ny vatana. Misy ny tsara ho fantatra momba ny sakafo mahasalama sy ny sakafo tokony ho fadiana raha marary. Tokony hihinana voankazo sy anana ary legioma isanandro mba ho salama. Ilaina ho ampy ny rano. Ahena ny fatran’ny hena, sira, siramamy, ary ny menaka amin’ny sakafo.
  • 30.
  • 31. Tongolo be,sakamalaho, clou de girofle, ary tongolo gasy:Voasana ny sakamalaho lehibe iray efa voasasa, ary tetehina madinika. Atao anaty laona kely, ary ampiana tongolo onion 2 na 3 voatetika sy tongolo gasy singany 7 sy clou de girofle singany 7. Totoina anaty laona kely ireo, ary asiana vaingan-tsira 1. Atao anaty fitaovana afaka misarona tsara. Hohanina 1 sotrokely isaky ny adiny iray. Tohizana 3-5 andro. Tamotamo: raha vovony dia tamotamo 1 sotrokely safovavany no atao anaty rano matimaty 1 vera. Sotroina 1 vera maraina ary 1 vera hariva. Menaka oliva: Alohan’ny hatory, osory diloilo oliva kely ny handria sy ny tarehy, indrindra ny ambonin’ny maso roa, ary ny faritra manodidina ny orona. Azo atao koa ny mampiasa menaka diloilo coco asiana hile essentiel ravintsara raha tsy misy menaka oliva. Dite voasary makirana, sakamalaho ary tantely: Voasary makirana 1 sy sakamalaho kelikely 1 no ampangotrahina amin’ny rano 1 litatra. Rehefa mangotraka tsara dia atao anaty vera, ary asiana tantely 1 sotrokely. Sotroina in-telo isanandro alohan’ny sakafo. Orona tsentsina
  • 32. Manasa orona amin’ny ranon-tsira: Maka rano matimaty 1 vera, asio sira vaingany na siran- dranomasina ½ sotrokely. Afangaroy. Atao matsantso ny sira raha manandrana io fangaro io. Atao amin’ny felantanana ny rano, ary trohina amin’ny orona ankavia. Avy eo aisina ny lelo. Trohina amin’ny orona ankavanana koa ny rano amin’ny felantanana dia aisina. Sasaina amin’ny fanondro ny anaty lavakorona avy eo. Dite sakamalaho: Maka sakamalaho kely dia atao anaty rano mangotraka 1 vera rehefa voakiky madinika. Afaka asiana siramamy. Marary tenda: Maka alamo (alum) 1 laingon- tsotrokely, atao anaty rano matimaty 1/2 vera. Atao gararaka alohan’ny sakafo maraina, atoandro sy hariva. Ranon-tsira: Ity dia fanadiovana orona tsentsina na be lelo. Makà rano matimaty 1 vera. Asio sira ½ sotrokely, ary atao goty anaty lavak’orona havia sy havanana, maraina sy hariva. Manao mafana tsara: mety vokatry ny andro mangatsiaka koa no mahatonga ny orona ho tsentsina. Tsara raha manao bàn-kiraro sy kiraro na dia ao an-trano aza. Evoka kininim-potsy sy ravintsara: Ampangotrahy anaty rano 5 litatra ny ravin- kininim-potsy sy ravintsara in-droa amin’ny habetsany eo amin’ny sary. Ataovy matevina tsara ny lamba isaronana rehefa mievoka. Azo angalana 1 vera io rehefa nangotraka, hosotroina rehefa avy mievoka. Tsy tsara sotroina mangidy. Orona, Tenda, Tazo
  • 33.
  • 34. Sakamalaho: Manala rehoka. Ampangotrahy anaty rano 2 vera ny sakamalaho efa voakiky 1 sotro. Rehefa mangotraka kelikely dia esory ambony afo. Asio tantely 2 sotro. Sotroina 1 vera maraina, 1 vera hariva mandritra ny herinandro. Gararaka Ranon-tsira: Manala rehoka. Mampangotraka rano 1 vera misy sira kely. Voasary makirana : Manala rehoka madity anaty tratra, manala ny mangidihidy anaty tenda (gripa mahery). Ampangotrahana anaty rano 2 litatra ny voasary makirana 3 na 4 voatapaka roa, miaraka amin’ny hodiny. Potserina ilay voasary rehefa avy nangotraka. Avela anaty rano ihany ilay hodiny mba ho fermenté. Avela hilona miaraka amin’ny hodiny indray alina ary sotroina 1 vera isa-maraina, ½ vera hariva (mandritra ny 3–5 andro). Tamotamo sy voasary makirana: Manala rehoka. Ampangotrahy anaty rano 2 vera ny tamotamo efa voakiky madinika tsara na tamotamo vovony 1 sotrokely. Rehefa mangotraka kelikely dia esory ambony afo. Asio ranom-boasary makirana 2 sotro. Azo asiana tantely 1 sotrokely. Sotroina 1 vera maraina, 1 hariva mandritra ny herinandro. Mananasy: Manala rehoka. Mihinana mananasy kely isanandro mandritra ny herinandro, na totoina ny mananasy dia misotroa 1/2 vera isanandro mandritra ny herinandro. Ranona mananasy: ampangotrahina anaty rano 1 litatra ny hoditra mananasy. Asio siramamy mena na tantely kely rehefa misotro azy. TRATRA
  • 35. Tongolo , tantely, voasary makirana, ary sakamalaho: Manamasaka kohaka, manala rehoka. Kikiso madinika tsara ny tongolo 1, tongolo gasy feno 1 ary sakamalaho 2 sotrokely. Afangaroy ranom-boasary makirana 1 sy tantely 1 sotrokely. Mihinana 1 sotro isaky ny adiny efatra mandritra ny 3-4 andro. Raha ankizy dia tsy atao masiaka loatra ny sakamalaho. Tongolo : Miaro amin’ny kohaka, aretin-tratra, ny asma. Manampy amin’ny fivalanan-drano. Ranon-tongolo: tetehina madinika tsara ny tongolo 1. lomana anaty rano 1 vera mandritra ny alina. Sotroina rehefa avy misakafo maraina. Raha afaka roa andro nihinanana ireo ody kohaka ireo nefa tsy mbola misy fiovana, dia mety ho alerzia no mahatonga ny kohaka. Ilaina ho fantarina ny zavatra tsy zakan’ny marary. Mokinazy : Manamasaka kohaka, manamora ny fivoahan’ny rehoka. Azo ohanina lena na maina ny mokinazy. Azo atao koa ny mampangotraka rano 1 litatra. Arotsaka ao ny mokinazy 1 tanana. Azo afangaro amin’ny voaloboka maina na daty kelikely. Atao very sasaka ilay rano vao esorina ny afo. Misotroa ½ vera isaky ny avy misakafo in-3 isanandro. Tsy mila asiana siramamy. Sirop tongolo: totoina madinika tsara ny tongolo 3 lehibe. Asio tantely na siramamy mena 2 sotrokely. Avela 1 andro. Mihinana 1 sotro in-3 na in-4 isanandro. Anandrano: Manamasaka kohaka, manamora ny fivoahan’ny rehoka. Sasaina madio tsara ny anandrano dia atao salady, asiana tongolo, ranom-boasary makirana sy menaka kely. Mihinana in-3 isan-kerinandro. TRATRA
  • 36.
  • 37. Tamotamo: manadio aty, manatsara ny fandevonan-kanina, manavao ny selan’ny aty. Ampangotrahy anaty rano roa vera ny tamotamo ½ sotrokely. Sotroy indroa isanandro, 1 vera maraina, 1 hariva, mandritra ny roa herinandro. Fadio ny chocolat sy toaka ary ny kafe raha marary aty. Betiravy: Manadio aty, manatsara ny fiasany, manadio rà. Kikisana madinika ny betiravy lehibe iray. Asio menaka oliva 2 sotrokely sy ranon- mboasary makirana ½. Afangaroy tsara. Mihinana 2 sotrokely isaky ny adiny 2 mandritra ny herinandro. Lasary laisoa manta: Sasaina tsara ny laisoa. Teteho madinika tsara. Asio saosy amin’ny ranom-boasary makirana sy menaka oliva kely ary sira. Asio tongolo ihany koa. Mihinana 4 na 5 sotro lehibe isanandro mandra-pialan’ny tasy sy ny hidihidy na koa fery vokatry ny aretin’aty amin’ny hoditra. Paoma: Antoka ho an’ny fahasalaman’ny aty, manala loto any amin’ny taova fandevonan- kanina, manala kolesterola amin’ny rà. Mihinana paoma 1 isanandro, na misotro ranom-boankazo paoma 1 vera isanandro rehefa vokatra ny paoma. ATY
  • 38. Tongolo gasy: manadio aty, manatsara ny fiasany, miaro. Tsara raha mihinana tongolo gasy manta 2 na 3 amin’ny lasary isanandro. Fadio koa ny zava-pisotro misy alikaola, ny sigara, ny mihinana hena be loatra, ny kafe, ny siramamy fotsy, ary ny sakafo tsy natoraly, saosy anaty pate jaune rehetra, sy ny sakafo misy produits chimiques, fa manimba ny aty. Zavoka: Manampy ny aty, manatsara ny fiasany, mampihena ny fatran’ny kolesteraola ratsy, mampitombo ny fatran’ny kolesteraaola tsara. Mihinana zavoka 3 isakerinandro mandritra ny 1 volana. Dite maitso / ravim-boafotsy: Manadio ny taova, manala loto ao anaty, manome rano ny vatana. Misotroa dite maitso 2 na 3 vera isanandro. Asio tantely kely raha tiana ho mamy. Fadio kosa nefa ny misotro dite maitso be loatra fa tsy tsara ho an’ny fahasalamana izany. Broccoli: Manampy amin’ny fahasalaman’ny aty, manala loto any amin’ny taova fandevonan- kanina, manome vitamina E. Andrahoina mandritry ny 10 minitra ny broccoli. Atao lasary asiana voasary makirana 1 sy menaka kely in-3 isan-kerinandro. Sakafo hafa: Radis, salady maitso, aoberzina, oliva, anana, soja, voamaina, seleria (sotroina, manta) ATY
  • 39. Voamadilo: Manadio aty, manatsara ny fiasan’ny aty sy vésicule biliaire, miaro ny tsinay. Voasy ary sasao ny voamadilo fahefan- kilao. Asio rano mafana 2 vera. Rehefa voafangaro tsara dia ampio rano mafana 4 vera. Avelao hipetraka 5 minitra. Tantavano. Asio tantely 3 sotro. Sotroina mangatsiaka in-2 na in- 3 isanandro. Raha tsy mahita voamadilo amin]akorany dia izay misy eny an=tsena no vidiana, ka ampangotrahina anaty rano no hanaovana azy. Anandrano: Manadio ra, manome vitamina A sy C, fera sy ioda. Tsara ho an’ny olona artritika, misy goty, matavy, tsy ampy ra, misy eczéma na fery vokatry ny aretin’aty. Mihinana salady anandrano efatra sotro asiana ranom-boasary makirana sy menaka kely in-1 na 2 isan- kerinandro mandritra ny 1 volana. Tsy tsara ho an’ny vehivavy bevohoka. Paoma : Manadio ny aoa anaty, manadio hodittra. Tsara ho an’ny marary aty, misy eczéma, ambony tosi-dra, be kolesterola. Mihinana paoma 3 na 4 isanandro rehefa vokatra fa tena mahasalama ny paoma. Azo atao ranom-boankazo koa, ary tsy asiana tantely na siramamy. Artichaut: Manampy amin’ny fahasalaman’ny aty, manala loto amin’ny ra, manome vitamina C. Sasao ny artichaut. Tapaho ny lohany izay tsy azo hohanina. Teteho ary endaso amin’ny menaka kely sy tongolo, tongolo gasy ary poivron. Azo ilaofana vary na afangaro amin’ny vary efa masaka. ATY
  • 40.
  • 41. Corossol, noni, soanambo sy ny mitovy aminy: anone, chérimole, corossol, noni : Mitondra kalsioma, mineraly isankarazany, faosifaoro, fera, potasioma, ary hery. Tsara ho an’ny marary fo, marary vavony, marary kibo, ambony tosi-drà, mitohana, diabetika, sy ny matavy loatra, ... - Azo ohanina toy ny tsindrin- tsakafo na atao ranom-boankazo. Mihinana 1 isanandro anaty 2 herinandro. Ny noni kosa dia atao ranom-boankazo: asio akondro kely. Voatavo: Manome sodioma. Tsara ho an’ny marary fo, vavony, marary voa, tsy mahalevon- kanina, mitan-drano be loatra ny hoditra, mitohana. Tsara ho an’ny maso, miaro amin’ny kansera. Tena mahasalama koa ny misotro lasopy voatavo raha vao avy nifady hanina. Atao lasopy ary azo asiana karaoty, ovy, tongolo maitso in-3-5 isan-kerinandro. Voasary pamplemosy : Manadio rà, manadio lalan-dràl tsara ho an’ny misy goty, artritika, sy ny marary aty ary ny matavy loatra. Azo ohanina amin’izao isa- maraina na atao ranom-boankazo ny pamplemosy. Vomanga: Manome vitamina B, C, potasioma, mineraly, manezioma ary kalsioma. Sasao ny vomanga. Andrahoy amin’ny rano. Mihinana vomanga in-2 na in-3 isan-kerinandro. Azo potserina anaty rano kely na ronono ny vomanga. Sakafo hafa: tsiasisa, fraizy, zavoka, katsaka, voanin’ny tanamasoandro, poara, goavy, voatabia (lasary), seleria, haricot vert, voamaina, paiso FO
  • 42.
  • 43. Karaoty: Manome vitamina A, manampy ny maso hahita amin’ny alina na rehefa mitsilopilopy ny hazavana. Azo andrahoina miaraka amin’ny ovy, na atao lasary, na totoina dia atao ranom- boankazo miaraka amin’ny voatabia sy konkombra. Tena mahasalama raha atao lasary manta isanandro. Laisoa: Manome vitamina A. Tetehina madinika tsara miaraka amin’ny karaoty dia atao lasary. Asiana menaka kely sy voasary makirana iray. Tena mahasalama raha ohanina isanandro. Epinara : Mampatanjaka hozatra, miaro ny maso. Manome vitamina C, A, E, folates, kalsioma, fera, manezioma, potasioma, proteina. Miaro amin’ny katarakta. Azo atao salady manta raha tsy mafy loatra. Asio ranom-boasary makirana 1 sy menaka kely. Raha atao rano kosa dia ½ vera isanandro ihany alohan’ny sakafo maraina na hariva. Sakafo hafa: voanin’ny tanamasoandro, amandy, anana maintso isan-karazany atao salady isanandro. Voatavo sy ny voaniny: Miaro ny maso amin’ny katarakta. Ny voaniny dia manome omega 3 betsaka tokoa. Atao lasopy miaraka amin’ny karaoty sy ovy ary tongolo maitso ny voatavo. Tsara ohanina in-3 na in-5 isan-kerinandro. Ny voaniny kosa dia endasina tahaka ny voanjo rehefa nesorina ny hodiny mafy, ary atao laoka vary sosoa. Sakafo hafa: katsaka, betiravy, anandrano, manga, salady maitso, broccoli, epinara, voatabia, poivron mena, courgette, petits pois, voaloboka MASO
  • 44. Paiso abricot: Manome vitamin A, C, E ary potasioma. Mihinana paiso abricot masaka tsara ½ kilao mandritra ny 3-4 andro ary asio mofo kely. Trondro: Manome omega-3 izay manatsara ny maso ary mampihena ny katarakta. Sakafo hafa: Menaka trondro sy sardine. Epinara : Mampatanjaka hozatra, miaro ny maso. Manome vitamina C, A, E, folates, kalsioma, fera, manezioma, potasioma, proteina. Miaro amin’ny katarakta. Azo atao salady manta raha tsy mafy loatra. Asio ranom-boasary makirana 1 sy menaka kely. Raha atao rano kosa dia ½ vera isanandro ihany alohan’ny sakafo maraina na hariva. Sakafo hafa: voanin’ny tanamasoandro, amandy, anana maintso isan-karazany atao salady isanandro. MASO
  • 45. Konkombra voatetika: Mampihena ny fanaintainan’ny maso reraka, manala hidihidy anaty maso. Atao ao anaty vata fampangatsiahana ny konkombra. Rehefa mangatsiaka tsara dia tetehina ho fisaka, ka singany roa no ilaina. Apetraho eo ambony hodi-maso mikimpy ny konkombra voatetika ireo mandritra ny 10’. Legioma hafa: ovy manta nofisahina. Rano: Miaro ny maso sy ny vatana tsy ho maina. Raha mahatsiaro ho malailay ny masonao, somary manjavona ny zavatra jerena, ary ohatry ny misy zavatra manelingelina ao anaty maso, dia manambara ny tsy fahampian’ny rano sotroinao isanandro izany. Vahona: esorina ny tsilo sy ny hodiny, ary ilay hodiny iny no apetaka ambony hodi-maso mikimpy. Ny atin’ny vahona kosa izay tsy mangidy dia azo ohanina avy hatrany. Ronono mafana sy tantely: Mampitony sy manatsara ny maso voan’ny conjunctivitis. Mamono bakteria ny tantely, ary ny ronono kosa dia mampitony ny malailay amin’ny maso. Afangaro ny ronono mafana (fa tsy mangotraka) 1 sotro sy tantely 1 sotro, mitovy fatra. Afangaroy tsara ny tantely sy ronono. Atao goty 2 na 3 isaky ny maso, ary averina in- 3 isanandro. Sasaina tsara amin’ny rano mangotraka sy savony ny fanaovana goty alohan’ny hampiasana azy. Menaka kinana na menaka oliva: Mampihena ny fahamainan’ny maso, manatsara ny maso, mampisy ranomaso ny maso maina izay tsy mahavoaka ranomaso. Menaka kinana na menaka oliva tsy mitampoka no atao anaty fanaovana goty efa voasasa tsara. Alohan’ny hatory dia asio kely ny maso tsirairay. Somary manelingelina ny maso ny menaka amin’ny voalohany, nefa rehefa matory dia hiala izany fanaintainana izany. Raha tsy misy tavoangy fanaovana goty, dia ny hodi-maso no asiana menaka kely diq kely alohan’ny hatory, ary tsy maintsy hisy hiditra ao anaty maso izany. MASO
  • 46.
  • 47. Lentille, lafarina feno, amandy, artichaut, vary mena, chou-fleur, petits pois, mofo, ovy, konkombra, yaourt, laisoa, tongolo gasy, haninkotrana (vomanga, mangahazo, saonjo): Mampandeha tsara ny fivoahana. Misotroa rano ampy ho an’ny vatana isanandro. Mihinana hanikotrana sy voamaina isan-kerinandro. Mihinana voankazo, anana sy legioma betsaka isanandro. Ronono soja, ronono amandy, paoma, kaki, akondro, karaoty, papay, vary gasy: Manome hery raha mivalana, mampitsahatra fivalanana. Misotroa rano betsaka raha mivalana. Mihinana lasopy legioma, vary sosoa. Mampitsahatra fivalanana: manatono vodimofo kely ho kila tanteraka. Poteho ary ataovy anaty rano 1 vera ny potimofo may 1 sotrokely. Afangaroy tsara ary sotroina 1 maraina 1 hariva. Voankazo : paoma, paiso, fraizy, voasary, framboazy, daty, Mampandeha tsara ny fivoahana. Mazotoa mihinana voankazo, anana sy legioma betsaka isanandro. Voankazo: akondro sy chocolat. Mampitsahatra fivalanana> Voasana ny akondro 1, andrahoina anaty vilany kely, asiana chocolat singany 4. Afangaro ary rehefa vita dia esory ambony afo. Mihinana 1 maraina, 1 hariva mandritra ny 1 andro. KIBO
  • 48.
  • 49. Corossol, noni, soanambo sy ny mitovy aminy: anone, chérimole, corossol, noni: Mitondra kalsioma, mineraly isankarazany, faosifaoro, fera, potasioma, ary hery. Tsara ho an’ny marary fo, marary vavony, marary kibo, ambony tosi-drà, mitohana, diabetika, sy ny matavy loatra, ... - Azo ohanina toy ny tsindrin- tsakafo na atao ranom-boankazo. Mihinana 1 isanandro anaty 2 herinandro. Ny noni kosa dia atao ranom-boankazo: asio akondro kely. Voatavo: Tsara ho an’ny marary fo, vavony, marary voa, tsy mahalevon-kanina, mitan-drano be loatra ny hoditra, mitohana. Tsara ho an’ny maso, miaro amin’ny kansera. Tena mahasalama koa ny misotro lasopy voatavo raha vao avy nifady hanina. Atao lasopy ary azo asiana karaoty, ovy, tongolo maitso in-3-5 isan- kerinandro. Ovy: Manala masinaty amin’ny vavony ny ovy manta. Sasao ary voasy ny ovy 1. Kikiso madinika tsara. Afangaroy tsara amin’ny rano 1 vera. Sotroina 1 maraina 1 hariva mialoha ny sakafo. Lasary ovy: Sasao ary kikiso madinika ny ovy. Asio karaoty sy tongolo koa. Asio ranom-boasary makirana, poivron, ary menaka oliva. Azo andrahoina koa ny ovy, potsehina na atao lasopy miaraka amin’ny voatavo sy legioma hafa. Laisoa fotsy / maitso / mena , anam-be: Manadio ra, manala loto ao anaty, manasitrana aretim- bavony, mahasalama ny aty sy tsinay. Manala masinaty. Miaro amin’ny kansera, diabeta, aretin’ aty. Sasao ny laisoa ¼ ary teteho madinika tsara. Asio tongolo, karaoty sy poivron koa. Ary asio saosy ranom-boasary makirana sy menaka kely. VAVONY
  • 50.
  • 51. Celeri: Manadio ra, mampihena ny tahan’ny kolesteraola, manadio ny voa. Hohanina manta: atao salady ny seleria sy ny tahony malemy. Asio saosy sy tongolo. Azo atao rano fisotro koa: totoina ny raviny sy ny tahony malemy, asiana rano sy ranom-boasary makirana kely. Misotroa ½ vera rehefa misakafo. Azo afangaro amin’ny lasopy koa ny seleria. Asperge: Manome faolaty, vitamina A, B, C sy E ny asperge. Mampandeha ny pipi, manadio aty sy ra, ary tsy mampitohana fivalanana. Ampangotrahina mandritra ny 5-10 minitra ny asperge. Raha mafy loatra ny tahony dia voasy. Endaso amin’ny menaka kely sy tongolo na atono ny asperge. Legioma hafa: aubergine (tsy maintsy andrahoina ho masaka tsara) Ovy : Manadio ra, manampy ny voa hanao tsara ny asany. Tsy azo ohanina kosa raha efa lasa lavitra ny aretin’ny voa (insuffisance rénale avancée)> Sasao ary voasy ny ovy manta 1. Kikiso madinika tsara. Afangaroy tsara amin’ny rano 1 vera. Sotroina 1 maraina 1 hariva mialoha ny sakafo. Tsara koa ny mihinana lasary ovy manta Voankazo: Melon, cantaloupe, voatango, pasteque, paiso Manadio ra sy manala loto ao anaty, manadio ny voa, mahasalama ny taova fandevonan- kanina sy tsinay ary ny voa. Mihinana ireo voankazo ireo aoriana sy anelanelan’ny sakafo. VOA
  • 52.
  • 53. Anandrano: Manamafy ny fakam-bolo, miaro mba tsy hihintsana na hiongotra ny volo. Totoina ny anandrano. Atao anaty lamba, fiazana sady alaina ny ranony. Osory ny hodi-doha 30 minitra mialohan’ny hanasana loha. Azo atao koa ny misotro ranon’anandrano kely (totoina ary asiana rano 1 vera) na mihinana salady anandrano kely isan-kerinandro. Epinara: Manamafy ny fakam-bolo, miaro mba tsy hihintsana na hiongotra ny volo. Totoina ny anandrano. Atao anaty lamba, fiazana sady alaina ny ranony. Osorana ny hodi-doha 30 minitra mialohan’ny hanasana loha. Andrahoina koa ny epinara ary ohanina. Tongolo : Mampaniry volo. 1 - Teteho manifinify ny tongolo 1. Osory tongolo ny hodi-doha izay tsy misy volo. Sasao ny loha rehefa afaka 15-30 minitra. 2 - Afangaroy ny tantely 1 sotro, menaka oliva 1 sotro, sy tamenak’atody 1. Osory tsara ny hodi-doha ary hotrorina koa. Avela hilona 15-30 minitra vao sasaina tsara ny volo. Azo soloina diloilo coco ny menaka olive raha tsy mahita ianao. Karibonetra: Manala angadrano. - Rehefa avy manasa loha dia kobanina amin’ny rano misy karibonetra ½ sotrokely ny volo. Konkombra: Mahatsara ny volo, hoho, hoditra. Totoina madinika tsara ny concombre ½, asio rano 1 vera. Misotroa 1 vera in-2 isan- kerinandro. Azo atao koa ny mihinana lasary concombre in-3 na in-4 isan-kerinandro. Sakafo hafa: tsaramaso fotsy, coco, karaoty, salady, voankazo mavomavo, voatavo, vary mena, celeri, sakafo misy vitamina A sy B. VOLO
  • 54. Sakafo mitondra vitamina C: Sakay fantsin’ akoholahy mena, poivron masaka (mena na mavo), anana ramirebaka, anana maitso isan- karazany, voatabia, laisoa. Atao salady manta fa tsy andrahoina. Ireto kosa dia atao mantamanta: voatavo, choux fleur, broccoli, epinara, asperza. Voankazo: papay, fraizy, mananasy, kiwi, voasary pamplemosy, goavy, manga, paiso, voantango, Mampitombo hery fiarovana: Voanjo, mahabibo, sy ny karazany; sakay fantsin’ akoholahy mena, yaourt, lasopy ron’ akoho, soja, ronono soja, divay mena, anana maitso atao salady manta, dite maitso, vomanga, tamotamo, cannelle, tantely, tongolo sy tongolo gasy, voasary. Misotroa rano sahaza ho an’ny vatanao isanandro. Sakafo mitondra kalsioma: Trondro isan-karazany, menaka trondro, ronono, tamenak’ atody, voamaina atin-kena omby, yaourt, Tokony hatao koa ny mitanin’ andro isanandro mba hanamafy ny taolana. Sakafo mitondra antibiotika: Tongolo, tongolo gasy, tantely, tamotamo, voasary makirana, menaka coco, sakamalaho, mananasy, cannelle, laisoa, oregan, romarin, thym, coriandre, clou de girofle, basil, poivre, persil (manampy amin’ny fitadidiana). Mampahatanjaka haingana: Afangaro ny vovoka cannelle sy tamotamo (3 sotrokely avy), ranom-boasary makirana 2 sy tantely 2 sotrokely. Atao anaty bocale misarona tsara. Mba hampitombo ny herinao raha rerak ianao dia mihinana an’io fangaro io roa sotrokely maraina, roa hariva. Mampatanjaka: afangaroy ny tantely, ranom-boasary makirana 1 sy atody 1, ary hohanina mandritra ny roa andro. Marihina fa ny fangaro izay natao voalohany io dia hohanina daholo, ary manamboatra vaovao indray ho amin’ny andro faharoa.: HERY FIAROVANA
  • 55. Isaorana anie Andriamanitra nahafahana nanatontosa ity bokikely ity. Mbola maro ny zavatra tsy voalaza ao anatiny, fa misy boky vitsivitsy etsy ambany mba ahafahanao mandalina misimisy kokoa. Na dia voalaza aza fa manasitrana aretina ny otra sy ny sakafo, dia ny dian-kapoka tamin’i Jesosy irery ihany no tena manasitrana ny aretina rehetra. Koa aoka isika hivavaka mandrakariva sy hangataka fanasitranana avy Aminy. Ho Azy anie ny saotra sy dera sy voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay. Amena. Teny famaranana Hery azo avy amin’ny soja: Menaka omega-3 : tsara ho an’ny fo, miady amin’ny kansera, alzheimer, osteoporosis, diabeta; mineraly: kalsioma, fer, manezioma, selenioma ary proteina feno. Azo atao ronono ny soja, azo atao laoka koa. Mofo soja: afangaro ny koba sy soja vovony. Asiana siramamy, rano na ronono, lavanila na cannelle, atody, leviora kely. Asiana menaka kely ny lapoaly. Endasina ny lafiny roa. Saosy soja: Lomana mandritra ny alina ny soja 1 kapoaka; ary totoina amin’ny maraina. Atao anaty rano 2 litatra . Ampangotrahina. Rehefa avy eo dia tsihifina ny faikan’ilay soja. Asiana siramamy kely, dia vita ny ronono. Azo asiana cannelle kely raha tsy tinao ny fofony. Rehefa avy eo dia endasina amin’ny tongolo, tongolo gasy, kotomila sy tongolo maintso ny faikan’ilay soja. Asiana vovo-mangahazo 1 sotro (fécule), rano kelikely, afangaro tsara mandra- pahamasaky ny saosy soja. Fomba fikarakarana soja Laoka soja: Mahasolo hena ny soja. Afangaro ny soja efa voatoto, lafarina izay mampitambatra azy, tongolo, tongolo maintso efa voatetika, tongolo gasy, sakamalaho kely, sira. Volavolaina ho boribory na boribory lavalava, dia endasina amin’ny menaka.
  • 56. Loharano niaingana: -Guides des Aliments et de leur Pouvoir Curatif – Bibliotheque Education et Santé, v 1-2-3 -Chinese Pediatric Massage -Acupuncture – TCM Advisory -Shiatsu Self Massage – www.voguelgroup.com -Epilepsy and seizures – The center for Development – Lawrence Wilson, MD, 2010 -Hygiene Naturelle-Alimentation – www.hygienenaturelle- alimentation.com/ article-reduire- ses-douleurs-articulaire...